
Niteraka resa-be ny fialan’i Lôlôdy sy Rinoh, tao amin’ny AS Adema. Araka ny angom-baovao, mpilalao tsy mpanara-dalàna ary tsy manaja mpanazatra izy ireo ka voatery nesorina, tsy ho anatin’ny klioba intsony.
Araka ny loharanom-baovao, avy amin’ny klioban’ny Adema, tsy notazonina ao aminy intsony i Lôlôdy sy Rinoh, noho izy ireo «indisciplinés», tsy manaiky hofehezina, ary tsy manaja ireo mpanazatra sy ny raiamandrenin’ity ekipan’ny seranam-piaramanidina Ivato ity.
Nomarihin’ny tomponandraikitra iray fa efa mihevi-tena mahay sy misongadina ao anatin’ny maro ry zalahy, ka tsy manaiky ny tenin’ny mpanazatra sy ireo mpitantana intsony. Nanome ohatra izy tamin’izany. Raha manomboka amin’ny 9 ora ny fanazarantena, tsy migadona eo ambony kianja ry zalahy, raha tsy amin’ny 9 ora sasany. Tsy miala tsiny fa tonga dia miakatra eny ambony kianja. Raha sendra voadona indray dia mody voa, toy ny nataon’i Rinoh, farany teo. Miala ny kianja izy ary dia miakanjo avy hatrany ka mamonjy fodiana, tsy manao veloma ihany koa.
Tsy nampoizina
Mampalahelo hoy ny fanamarihan’ilay raiamandreny, satria ankizy notezaina tato i Rinoh ary tena mpilalao tsotra, sy mora atoro ary mpanara-dalàna, saingy niova ny toe-tsainy, rehefa nanomboka nalaza. “Toetra tsy nampoizinay tato amin’ny Adema mihitsy”, hoy izy. Marina fa nisy ilay karama tany amin’ny Fosa Junior fa io tsy fanarahan-dalàna io, tena tsy nitazonana azy mirahalahy. Tao anatin’izany koa i Florent, saingy niaiky ny fahadisoany ity farany, izay nifona ka notazonina ihany.
Araka ny vaovao hatrany, nilaza tamin’ireo mpilalao ny filohan’ny AS Adema fa tsy misy tombo sy hala fa mitovy avokoa ny mpilalao rehetra ka tokony hanaja ny mpanazatra sy ny rafitra misy. Nomarihiny koa fa voaroaka tsy ho mpilalaon’ny Adema intsony izay tratra manao baolim-pokontany.
Tsiahivina fa hifandona amin’ny Harare City ny Adema, ny 13 febroary ho avy izao, eo amin’ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona.
Aretina mpahazo ny atleta malagasy ity tsy fahazakana malaza ity, ka mahatonga fahapotehana haingana, eo amin’izy ireo.
Tompondaka