Tsy mitsahatra ny manome ny lanjan’ny fitsaram-baolina malagasy, any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2016”, tanterahina any Roandà, i Nampiandraza Hamada. Taorian’ny nitantanany ny lalao nikatrohan’i Roandà sy Côte d’Ivoire, teo amin’ny lalao fanokafana, ny asabotsy 16 janoary lasa teo, mbola voatendry ho mpitsara fahefatra, izay mikarakara ny fanoloana ireo mpilalao eny ambony kianja ny lehilahy ary mandray ny anaran’izay nahazo karatra mavo sy mena ary manamarika ny fe-potoan’ny baolina tafiditra, amin’ny fihaonan’i Zambia sy Ogandà, ao amin’ny sokajy “D”, indray izy. Lalao hatao ao amin’ny kianja Rubavu Rubavu, ny asabotsy 21 janoary ho avy izao.
Marihina fa ilay Borkinabe, Juste Ephrem, no ho mpitsara afovoany ary ilay teratany avy any Kameronina, Elvis Guy Noupue Nguegoue, sy ilay Senegaley, Serigne Cheikh Toure, no mpitsara an-jorony.
Ankoatra izay, mbola misy Malagasy hafa ihany koa nahazo andraikitra, i Helly Zafinimanga, izay hanampy ny mpandrindra ankapobeny, ao anaty kianja.
Tompondaka