Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Vaovao tambatra

$
0
0

Nankatoavin’ny filankevitry ny governemanta ny didy hitsivolana mampiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana 7,5%. Voakasik’izany koa ny mpiasa eny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana isam-paritra, ny mpiasam-panjakana tsy maharitra (EFA, ELD, ECD, sns).

Tsy fantatra kosa ny an’ny mpiasa eny amin’ny tsy miankina, tapahin’ny vondron’ny mpampiasa, ny sendikà ary ny fanjakana.

Nankatoavina koa ny didy hitsivolana manavao ny dingana arahina amin’ny antontan-taratasy ilaina sy takina amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Fepetra entina hanatsarana sy hisian’ny managarahara amin’ny fitantanam-bolam-panjakana, apetraka any amin’ny sampandraharahan’ny fanaraha-maso ny volam-panjakana.

Hisorohana ny fanaraha-maso miverimberina koa ity didy hitsivolana ity.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Trending Articles