Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647

Kidnapping  : hiatrika fitsarana ireo voarohirohy

$
0
0

Taorian’ny fahavitan’ny fanadihadiana lalina azy 27 mianadahy tao Toamasina, ka namindrana azy ireo maika be teto Antananarivo avy eo tany amin’ny fonjan’Ambatolampy, araka ny baikon’ny fiadidian’ny Repoblika, fantatra izao, araka ny loharanom-baovao, fa hotsaraina eo anivon’ny fitsarana ady heloka be vavan’Antananarivo ny zoma izao izy ireo, izay efa manana antontan-taratasin’ady. Raha ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàn’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, ny 12 janoary lasa teo, resaka fakana an-keriny, fihazonana olona an-keriny, fihazonana basy tsy nahazoana alalana, ary fanaovana fikambanan-jiolahy ny fanenjehana ireo rehetra tafiditra tamin’ity raharaha Arnaud sy Annie ity.

Ireo fito ambiny, izay ahitana an-dRatoa Honorine sy Sanimohy vadiny, ny vadin’i Lejo sy ny sakaizany ary ity Rtoa mpiandry ny tranony.  I Lejo na Massaro vao tratra tany Farafangana kosa, mbola miandry ny fahavitan’ny antontan-taratasin’adin’izy ireo ny fiakarany fitsarana izao, araka ny angom-baovao hatrany. Fantatra izao fa manao fanadihadiana lalina eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina, sy ny fitsarana ao Toamasina, mikasika ilay resaka « MOP » azon’i Lejo tamin’ny 11 jona 2013, nahatonga azy niasa teo anivon’ny fitsarana, ireo mpanao fanadihdiana avy eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevavan’Antananarivo.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70647