Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Pétanque –«Doublette Boss» : hidona amin-dry Dylan izay mandresy

$
0
0
Tsipy 2001

Hifandona amin’ireo andrarezin’ny tsipy kanetibe eran-tany, toa an’ilay Frantsay, Dylan Rocher, Fournier, Quntais ary ilay Belzà, Weibbel, tompondaka eran-tany amin’ny «tir de précision 2015», any amin’ny «Star Masters de Pattaya », hatao any Thaillande, ny 26, 27, 28 febroary ho avy izao, izay mandresy amin’ilay «Grand tournoi de pétanque doublette boss», karakarain’ny klioba FCBT Mahamasina. Fihaonana hotontosaina, ny asabotsy 23 sy ny alahady 24 janoary ho avy izao.

Goavana ity fihaonana ity, satria hiantohan’ny mpikarakara manontolo, amin’ny fiatrehana io fihaonana io, ny ekipa mivoaka voalohany amin’ity. Mba ho fanomezana vahana sy hahazoan’ireo mpilalao rehetra manerana an’i Madagasikara mandray anjara, noferana ho 400.000 Ar ny saran’ny fandraisana anjara.

Tsiahivina fa tsy vaovao amin’ny mpilalao malagasy ity “Star Masters de Pattaya” ity satria efa nandrombaka izany i Madagasikara, ny taona 2014. Voalaza fa hatramin’ny nisian’ity fifaninanana ity, ny Malagasy irery no firenena vahiny nandrombaka ny amboara, tamin’izany, fa saika lasan-dry zareo mpikarakara hatrany izany.

Efa betsaka ireo nisoratra anarana, amin’ity «Grand tournoi de pétanque doublette Boss» ity. Anisan’ireny ny ekipa misy an’i Naina Ragasy sy Jex, eo koa i Nanou sy Jacquis, ry Tin sy Patou sy ny hafa.  Andrasana ny fihavian’ireo mpifaninana hafa izay manana ny fahaiza-manaony koa.

Ankoatra izay, mandalo eto Madagasikara koa i Jean-Louis Esteve, izay mpitia tsipy kanetibe any Frantsa, mijery sy manara-maso ireo mpilalao malagasy. Hanaraka izay ekipa mandresy any Thaillande ny tenany, amin’ity.

Marihina fa miara-miasa amin’ny Club Pétanque Khao Rai, mpikarakara ny “Star Masters de Pattaya”, ny FCBT, amin’ity.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70671

Trending Articles