Nodimandry, ny alatsinainy teo tany Etazonia, i Glenn Frey, mpitendry gitara sady iray amin’ireo namorona ny tarika Eagles, nalaza tamin’ny gadona rock ary fantatra tamin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe « Hotel California ». Maromaro ny aretina nitarika izao fahafatesany izao. Tsara ny mampahatsiahy fa nahatratra 150 tapitrisa ny rakikira lafon’ity tarika ity ; entina hilazana ny lazan’izy ireo tamin’ny fotoan’androny.
Hotanterahina ny zoma izao kosa ny fandevenana an’i René Angélil, vadin’i Céline Dion. Hotontosaina ao amin’ny bazilika Notre-Dame ao Montréal, toerana nanaovana ny mariazin’izy ireo, ny taona 1994, ny fanompoam-pivavahana. Rahampitso kosa, hisy ny toerana ahafahan’ny sarambabem-bahoaka mivavaka. Tsiahivina fa ny 14 janoary teo, roa andro mialoha ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany, no nodimandry i René Angelil.
Nangonin’i Landy R.