
Manan-karena, hono, i Madagasikara. Reharehan’ny mpitondra ny miventy izany fa toy ny eso, kosa, ho an’ny vahoaka malagasy, izay tompon’ity Nosy ity. Mipoapoaka ao an-tsofiny fotsiny ny vola amina miliara, hetra sy ampaham-bolam-panjakana avy amin’ny fitrandrahana ireo harena ireo fa tsy mihatra mivantana sy mivaingana amin’ny fiainany. Mateti-pitranga koa, lasan’ny vahiny, tsy misy fanazavana na tambiny, ny taniny raha fantatra fa misy vatosoa.
Tsy atao hahagaga ireo tranga ireo, satria zava-misy iainan’ny mponina amin’ny firenena manana harena voajanahary toa an’i Madagasikara. Singanina amin’izany ny firenena aty Afrika sy ny any Azia. « Miaina anaty afobe eo ambony paradisa ny vahoaka », araka ny filazan’ilay fanadihadiana iray izay. Manampy trotraka ny korontana na fanakorontana politika, vao mainka mandentika lalina ny firenena anaty fahantrana.
Mahavariana ny hoe nahoana no mitovy avokoa ny zava-mitranga amin’ireo firenena ireo ? Tsy mandray andraikitra ny mpitondra, mijery fotsiny izay miseho. Ho tombontsoan’iza anefa ?
Rehefa mihamahantra ny vahoaka, toa fifaliana ho an’ny sasany izany. Raha noana mantsy ny kibo, mivezivezy ny fanahy, tsy mahita izay fanararaotana ataon’ny hafa ary tsy mahalala afa-tsy ny hitady ny harapaka. Vao mainka mahazo vahana ny fanondranana ny harem-pirenena isan-karazany. Tsy an-tsokosoko intsony io, satria misy mahita sy re ary toa tsy raharahan’ny mpitondra.
Fa ny tany mahantra na ampahantraina toa antsika koa, tsenabe ho an’ny firenena matanjaka. Misy ny entana mora vidy nataon-dry zareo ho antsika. Rehefa tonga mampiasa vola eto izy, ampy ho karamantsika ny variraiventy. Potika hatramin’ny kolontsaina, ny maha Malagasy. Rehefa reraky ny fahantrana, toa tsy afa-mandinika lalina izay henoina sy jerena ary tsapain-tanana intsony. Ampy hampiala voly sy hanadinoana ny fahasahiranana ny hira kitoatoa, ny sary mamoafady, ny teny ratsy, sns, vokarin’ny manan-katao.
Landy Ratsimanetrisoa.