Fahita eto amintsika ny tsy fahaizana manao vina miomana amin’ny lafiny tsara na ratsy. Tombontsoa tokony ho antsika ny fampiasana ny menaka mavesatra vokarin’ny Madagascar Oil, saingy zary nofinofy satria tsy misy ny fiomanana mialoha.
Tsy fahaiza-mitsinjo mialoha! Fanaon’ny mpitantana, mpamolavola fandaharanasa na drafitrasa ny manana vina akaiky, antenantenany ary lavitra ezaka. Rehefa tena zohina anefa, mahavariana fa tsy hita taratra loatra izany, raha asian-teny ny manodidina ny solika mavesatra vokarin’ny orianasa Madagascar Oil. Efa fantatra hatramin’ny nanombohan’ity orinasa ity nahomby tamin’ny andrana, ary miditra amin’ny famokarana tsikelikely izao, fa azon’ny Jirama ampiasaina tsara ny menaka mavesatra, hampihodinana ny milina mamokatra herinaratra. Natao nahoraka ren-tany ren-danitra mihitsy ny fampidirana ny menaka mavesatra tao anatin’ilay kamiao manokana, ary natolotra maimaimpoana ny Jirama. Ankehitriny, nitsotra ny minisitry ny Angovo, tao amin’ny televizionina iray ny faran’ny herinandro teo, fa maro ny antony tsy afahafan’ny Jirama mampiasa ity solika vokarina eto an-toerana ity. Tsy manana fotodrafitrasa sinibe manokana hitahirizana ny menaka mavesatra, sady tsy misy koa ny fotodrafitrasa amin’ny fikirakirana azy ara-teknika. Lavitra sady ratsy ny lalana miainga avy any Tsimiroro-Tsiroanomandidy vao mihazo aty Antananarivo. Nomarihiny koa fa tsy azo atao mangatsiaka ny menaka mavesatra fa lasa mivaingana indray.
Midika ireo fa tsy avy amin’ny Madagascar Oil mihitsy ny tsy ahafahan’ny Jirama mampiasa ity vokatra ilainy ity, tokony hampihena lavitra ny masonkareny.
Hita any amin’ny tranga hafa koa
Afaka mampiasa ny menaka mavesatra, ankoatra ny Jirama eto an-toerana, ny orinasa indostrialy vaventy mampiasa milina mandeha amin’ny “fuel oil” sy ny sambo vaventy. Saingy tsy fantatra raha manana ny fotodrafitrasa voalaza etsy ambony koa izy ireny, raha mbola mila fikirakirana manokana ny an’ny Madagascar Oil.
Santionany ihany ity tsy fiomanana mialoha raha misy tombontsoa tokony ho azo avy amin’ny famokarana eto an-toerana ity. Hita taratra koa izany amin’ny tranga hafa, toy ny tsy fananan’ny tompon’andraikitra ny hoenti-manana amin’ny fiomanana iatrehana ny loza voajanahary, ny handraisana ny traboina, ny fisorohana amin’ny tondra-drano, ny tsy fahampian’ny fikojakojana ny lalana, sns.
Randria