Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Andranomena Toliara : notapahin’ireo foko 18 ny lalam-pirenena fahafito

$
0
0
VENTREtaratra

Tapaka nandritra ny adiny roa teo ho eo ny lalam-pirenena faha-7, teo Andranomena Toliara, ny asabotsy lasa teo, vokatry ny fihetsiketsehana fanehoan-tsy fankasitrahana nataon’ireo andian’olona avy amin’ny foko 18. Tsy fankasitrahana ny fibodoan’ny teratany karana iray ny tany misy ny fasan’ny razamben’izy ireo.

 

Araka ny fantatra, mirefy 83 ha eo ho eo ity faritra ao Andranomena Toliara ity. Faritra misy ny fasan’ireo lazaina hoe razamben’ny foko samyhafa any amin’ity toerana iny, efa hatramin’ny taona 1923. Tsikaritra anefa taty aoriana fa mihena tsikelikely ny haben’io toerana io, noho ny fisian’ny olona mivarotra ny tany. Hita aza fa efa misy manao fanorenana (trano, fotodrafitrasa hafa, tamboho…) eo amin’ilay toerana amin’izao fotoana izao.

Nisy ihany, efa hatramin’ny ela, ny hetsika fanoherana izany toe-javatra izany nataon’ireo olona avy amin’ny foko 18 any an-toerana. Tsy nisy nihaino anefa izy ireo, fa toy ny rano natondraka ny lamosin’ny kanakana ihany izany. Voalazan’izy ireo aza fa toa manao bemarenina fotsiny ireo mpitondra fanjakana nifandimby teo aloha.

Tsy naharitra intsony àry izy ireo ka tapa-kevitra fa hanao hetsika ho fanoherana, sady ho fanairana ny sain’ny mpitondra fanjakana any an-toerana. Nanova paikady àry ireto andian’olona avy amin’ny foko 18, ka ny asabotsy maraina teo, raikitra ny fihetsiketsehana. Niainga tany Mahavatse ny filaharambe sy ny filanjana sorabaventy nahitana ny soratra hoe “Hetsika fanairana ho fanakanana ireo mpandrava toeram-pandevenana, Andranomena”. Teo amin’ny sampanan-dalana amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, hiditra any Andranomena, toerana misy ireo fasana no nijanona. Teo no nanao barazy nanakanana ny lalana ireo mpanao fihetsiketsehana. Vokany, tsy azo nifamoivoizana ny lalam-pirenena fahafito nandritra ny adiny roa teo ho eo.

 

Natsahatra avy hatrany…

Tonga teny an-toerana ny lehiben’ny faritra raha nandre ny zava-nitranga, ka nandroso vahaolana sy nangataka fifampidinihana tamin’ireo mpanao fihetsiketsehana. Anisan’ny fepetra voalohany noraisina teo noho eo ny fampitsaharana ny fanamboarana tamboho saika hanaovan’ilay Karana nividy ny tany fanorenan-trano. Voalaza ihany koa fa hitohy eny amin’ny biraon’ny faritra ny fifampiresahana eo amin’ny ben’ny Tanàna Betsinjaka sy ilay Karana ary ny solontenan’ireo foko ireo. Miandry ny vokatr’izany fifampidinihana izany ny vahoaka any an-toerana.

CMS


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles