Nisy ihany ny orambaratra fa tsy mbola ampy. Ny loto sy fako misavovona, eo andaniny na arabe na lalankely sy tohatra dia samy dibo-drano daholo raha vao mitaika ny orana. Aiza ihany izy ity? Ny fety tsy hay ahemotra, efa tena ao anatiny izao, telo andro sisa ho an’ny mpiandraikitra anaovany ezaka mahery vaika fisorohana ho fanavotana ny Noely tsy ho rendrika ao anatin’ny loto. Ny orana moa tsy fantatra intsony, miantona toa tsy manefa ny anjara-asany eo amin’ny fanadiovana, mirotsaka manampy trotraka toa manaha lamba maloto mampitsikafona izao fery miafina rehetra izao. Ny fety vita ihany, mandalo sady mbola hiverina, amin’ny herintaona indray manarina. Fa ny fihanaky ny aretina no ahiana noho ny fako miandrona, ny fahasahiranana tsy hitsahatra hitombo na eo amin’ny fifamoivoizana fotsiny aza, ny fery tsy tsara sitrana sy ireo vaovao ateraky ny tsy fahampian’ny fikojakojana dia mihaaraotra isan’andro, kely ny fanantenana ahafahana mihevitra fa tsy ho ratsy noho ny tamin’ny taon-dasa ny arabe. Mampiferin’aina mialoha daholo, izany toetsaina izany no entina hitsenana ny taona vaovao. Mafimafy ity 2016 efa mandodona ity.
Ny kabary anefa ahiana tsy hiova amin’izay efa heno teo amin’ny taon-dasa rehetra, tohin’ny resak’olona sady jamba no marenina tsy mahita ny zava-misy tsy maheno ny fikiakiakan’ny mponina. Fandravahana ny teny atao amin’ny fampanantenana no asesy, poakaty anefa noho ny tsy fisian’ny lamina sy tetika anankinana ny toky nomena.
Fantatra mialoha ny vontoatin’ireo teny ifanakalozana, firarian-tsoa samy mahay lany maminy rehefa ela ny ela no tsy nitondra izay vokatra amina fiovana azo tsapain-tanana. Izany fiovana izany dia mety ho hita taratra miainga avy amin’ny kabary atao, mba tsy ho fieboebona intsony fa fanetren-tena, tsy entina amelabelarana ny fahaiza-manao ho fampanantenana ny hoavy, fa fibabohana sy fifonana mikasika ny tsy efa teo amin’ny adidin’ny tena. Ny tena fanamby tsy ireny fametrapetrahana tanjona etsy sy eroa ireny fa ny fanamby mikasika ny fahasahiana manova ny toetsain’ny tena, raha mbola tsy tonga saina amin’izany dia tsy hisy ny fiovana. Angaha moa tonga ho azy amin’ny filelalelana azy fotsiny ilay fandrosoana raha tsy eo ny ezaka sy asa fampandrosoana, mitaky fisondrotan’ny toetsain’ireo mpitarika sy mpandamina izany amina fahasahiana mijery sy milaza ny marina. Ny fahaizana mizaka adidy tsy ny fitadiavana handrobaka voninahitra avy amin’ny zavatra mbola tsy vita fa ny fahavononana hiatrika ny rihitra mety hitranga eo amin’ny asa kasain-katao.
Léo Raz
Cet article Resaky ny mpitsimpona akotry : fahasoavana sa fahavoazana est apparu en premier sur NewsMada.