
Mitohy ny fambotriana ny firenena amin’ny alalan’ny fitsetsefana an-tsokosoko ny hareny. Sinoa roalahy sy Srilankey iray indray no sarona tetsy Ivato. Ireo roa voalohany saika hanondrana soavalindriaka (hippocampe) ary ilay fahatelo tratra nitondra volamena.
Mitohy ny fanenjehana ireo mpanondrana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Sinoa roa sy Srilankey iray indray no voatanan’ny mpitandro filaminana etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly hariva. Araka ny fisavana nataon’ireo tompon’andraikitry ny seranana miaraka amin’ireo polisy dia soavalindriaka mahatratra telo kilao sy volamena milanja 1,4 kilao no voajirik’ireo tompon’andraikitra ireo. Kinasa ahondrana an-tsokosoko any ivelany izy ireo ary ny sidina makany Maorisy no saika hitondrana azy. rah any fantatra, any Hong-Kong no faran’ny dian’ilay fiaramanidina.
Vao omaly
Vao tsy ela akory izay, herinandro raha misy, no nahatrarana ireo soavalindriaka milanja 5 kilao, miaraka amin’ny dingadingana, saika ahondrana an-tsokosoko any ivelany, izay fantatra fa tsy nahazoana alalana. Andro vitsivitsy talohan’io, mbola io trondro madinika an-dranomasina io ihany, saingy nohamainina avy aty Madagasikara, no saron’ny mpiasan’ny ladoany tany Roissy, Frantsa. Araka izany, lasibatry ny fanondranana tsy ara-dalana ihany koa izany io harena an-dranomasina malagasy iray io.
Vao afakomaly no nosoloina ny tompon’andraikitra ambonin’ny ladoany malagasy. 24 ora tao aorian’ny fanoloana, sarona ireo mpanao ampihimamba ny harem-pirenena malagasy. Midika izany fa na misy aza ireo efa tratra, mbola maro koa ireo zatra ny lalan-dririnina.
Miandrandra fiovana
Iaraha-mahalala fa tsy ny harena an-dranomasina sy ny harena an-kibon’ny tany ihany no misy manondrana an-tsokosoko eto Madagasikara. Lasibatra amin’izany indrindra ny andramena, izay mbola mampitondra faisana ny firenena ary mahatonga ireo mpamatsy vola misalasala amin’ny fanampiana ny fanjakana Malagasy. Ny zava-manan’aina izay mampiavaka ny Nosy ihany koa dia anisan’ireo iharan’izany fanondranana an-tsokosoko izany.
Ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ihany no vahaolana haingana sady maharitra amin’izany olana atrehan’ny firenena izany. Andrasana arak’izany ny fanamafisana ny ady atao amin’ny fanondranana ny harem-pirenena izay ho ataon’ny tompon’andraikitra vaovaon’ny ladoany malagasy, sy ny fahaizany mametraka fepetra entitra miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny asa fiarovana sy fanaraha-maso ny eo anivon’ny seranana.
Mparany
Cet article Fanondranana an-tsokosoko : soavalindrika sy volamena tratra teny Ivato est apparu en premier sur NewsMada.