
Maro loatra ny fitarainana tonga teo ampelantanan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly tany Toliara mikasika ny fanararaotan’ny mpitsabo amin’ny fakana vola amin’ny marary. Nisokatra ny fanadihadihana ka mpitsabo iray ao amin’ny Hopitaly be Toliara no fantatra fa nanao izany. Nampidirina am-ponja vonjimaika izy amin’izao fotoana izao miandry ny fotoam-pitsarana azy. Araka ny fanampim-baovao dia tsy mahazo fitsaboana ara-dalana izay marary tonga ao amin’ity mpitsabo ity raha tsy manome vola azy. Voatery mivaro-panana mihitsy ny olona mba ahafahany mahazo izay fitsaboana izay. Velon-taraina noho izany ireo izay sahirana ara-pivelomana ka na tsy sitrana ara-dalana aza dia voatery mandao ny toeram-pitsaboana. Resaka mandeha any anaty fiaraha-monina any io fakana vola amin’ny marary io. Tsy ity nitranga tany Toliara ity ihany fa na ny eto Antananarivo Renivohitra sy any amin’ny faritra hafa aza dia misy izany avokoa. Tsy mbola nisy sahy nijoro vavolombelona mikasika izany anefa ny olona noho ny tahotra. Eo ihany ko ny tsy fanana fotoana hivezivezena noho ny hamafin’ny fiainana. Anatra ho an’ny mpitsabo izay manana io fomba ratsy io anefa ity fampigadrana mpitsabo manao kolikoly tany Toliara ity. Ny fahasahiana mandray ny andraikitra amin’ny trangan-javatra toy itony no andrasana amin’ny olona izay efa sendra ity tranga fakana vola amin’ny marary ity ankoatra ny vidim-panafody.
Tiavina
Cet article Kolikoly : dokotera nogadraina tany Toliara est apparu en premier sur NewsMada.