Fotoan-dehibe mila hararaotin’ny orinasa sy ny mpandraharaha tsy miankina ny fivoriambe iraisam-pirenena Frankofonia amin’ny taona 2016. Nandritra ny fampahafantarana ny vovonana « Amis de la Francophonie » ny alarobia lasa teo, nilaza ny filoha tale jeneralin’ny banky BFV-SG, Bruno Massez, fa ilaina ny fanambarana ny hery satria hahasarika ny mpampiasa vola ny fahombiazan’io fivoriambe iraisam-pirenena io. Satria mitaky tolotra manaraka ny toetrandro ny mpanjifa sy ny mpandraharaha amin’izao fanarenana ny toekarena izao.
Ho an’ity banky ity, fandraisana anjara hataony ny fampitomboana ny masoivoho (toy ny eny Talatamaty) amin’ny taona ho avy, sy ny isan’ny fitaovana fisintonam-bola Gab eny amin’ny manodidina an’Ivato. Eo koa ny fanavaozana ny masoivoho na ny foibe efa misy eto an-dRenivohitra.
Anisan’ny efa ao anatin’ny “Amis de la Francophonie” ny orinasa vaventy misehatra amin’ny fifandraisana, ny fitsinjarana solika, ny banky, ny famokarana zava-pisotro , fivarotana fiara vaovao, sns.
Njaka A.
Cet article Fandraharahana : hahasarika ny mpampiasa vola ny fahombiazan’ny Frankofonia est apparu en premier sur NewsMada.