Ahiana ny mety ho fivadiky ny raharaha ao amin’ny kaominina Toamasina, manoloana ny fampiasan’ny mpitantana ny tanàna ireo « Gros bras » . Nambaran’ny sasany amin’izy ireo fa tsy voahaja ny fifanarahana momba ny fampiasana ireto zatovolahy tsy anasa, karamaina handrava ny tolon’ny mpiasa ireto.
Araka ny loharanom-baovao, nampanantenaina vary 2 taonina isan-kerinandro aterina ao amin’ny raiamandreny ara-drazana ao Morarano sy Ambalakisoa izy ireo. Tsy vitan’izany fa tokony hahazo vola 15.000 ariary isan’andro koa. Efa mampiaka-peo ny maro amin’izy ireo noho ny fifanarahana sy fampanantenana tsy mandeha araka ny tokony ho izy.
Etsy andaniny, isehoana savorovoro hatrany eo amin’ny lapan’ny Tanàna, nanomboka ny alakamisy teo. Raikitra ny fifanosehana sy fampiasana hery isan-karazany teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo « Gros bras » andaniny, avy amin’ny ben’ny Tanàna sy ny ankilany, avy amin’ny mpiasa mitokona. Niseho izany nandritra ny fidiran-dRatsiraka Elysée ny biraony.
Tsy hihemotra hatramin’ny farany ny mpiasa
Tsy nipetra-potsiny anefa ireo mpiasa. « Tsy hifarana raha tsy afaka eo amin’ny fitantanana ny kaominin’i Toamasina ny ben’ny Tanàna Ratsiraka Elysée », hoy ny mpitarika ny sendikàn’ny mpiasa, i Tovo.
Nitohy omaly ny fivorian’izy ireo ka nametrahana ny paikady entina handrodanana ny fitondrana jadon’ ity ben’ny Tanàna ity. « Hiditra amin’ny sehatra mafimafy kokoa ny mpitokona satria hanakatona ny labatoara sy ny birao rehetra mifandraika amin’ny kaominina toy ny boriborintany miisa dimy, sampandraharaha maro samihafa », hoy ihany izy ireo.
Ankoatra izany anefa, nitondra fanazavana ny tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny kaominina, omaly ka nilaza fa misy ambadika politika ny raharaha. « Efa nitady seza eo anivon’ny kaominina ireo mpitarika ireo, saingy tsy nahazo ka izao manohy ny fitokonana izao. Efa novahan’ny ben’ny Tanàna koa ny olan’ny karama roa volana raha an-dalana, tokony ho alatsinainy izao ny andiany manaraka noho ny toe-bolan’ny kaominina tsy ampy », hoy izy.
… Satria tsy ben’ny Tanàna HVM
Nambarany koa fa tsy nanaraka ny fifanarahana ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny tompon’andraikitra sasany ao Toamasina ny amin’ny tokony hisamborana ireo mpitarika sasany ireo noho izy ireo, manakorontana sy nitondra famaky na antsy teny amin’ny kaominina, andro vitsy lasa izay. « Misy baiko avy any ambony manakana azy ireo tsy handray andraikitra izany… Hitazam-potsiny ve ny fitondrana raha miseho any amin’ny tanàna hafa ny tahaka izao… Satria tsy olon’ny HVM ny ben’ny Tanàna eto ? » hoy izy.
Midika izany fa tantara mitohy, tsy manam-piafarana ity any Toamasina ity.
Sajo sy Synèse R.
Cet article Fitakiana fialàn’ny ben’ ny Tanànan’ i Toamasina : nampiaka-peo fa tsy nahazo vola ireo « Gros bras » est apparu en premier sur NewsMada.