Nifarana omaly ny atrikasa niarahan’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fampiofanana arakasa eto Madagasikara niaraka tamin’ny salezianina Afrika sy Karaiba. Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanofanana ny tanora ny atrikasa izay nokarakarain’ny biraom-pampandrosoana Don Bosco eto Madagasikara.
Nilaza ny tompon’andraikitry ny Tranoben’ny Asa Don Bosco, Ramanovosoa Heritiana fa « efa mivoatra isika eto Madagasikara eo amin’ny fampiofanana tanora ». Efa nisy ny fanavaozana ny paikadim-piofanana ka efa nahitam-bokany izany.
Tara kosa anefa, ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin’ny fanohanana ny fampiofanana ny tanora ka mila fanairana izany.
Efa tafapetraka tsara ny politikan’ny fampiofanana arakasa eto Madagasikara izay nilofosan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina marobe. Hahafahana miasa sy manatsara ny tontolon’ny fiofanana izany.
Efa maty paika koa ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa amin’ny fizarana asa sy fandraisana ireo tanora ho tonga matihanina aorian’ny fiofanana.
Tatiana A
Cet article Sehatrasa : manampy ny tanora ny fampiofanana arakasa est apparu en premier sur NewsMada.