Nanao ny anjarany amin’ny maha Filoham-pirenena azy Ingahy Hery Rajaonarimampianina, nipi-tsoroka toy izany, feno haja ireo Ben’ny Tanàna manerana ny nosy nahazo fanasana sy famporisihina teny amin’ny Lapan’Iavoloha. Moa ve mivesatra adidy noho izany izy ireo ka mahatsiaro tena ho voateritery hampiseho valim-pitia ka velom-pinoana fa tsy maintsy handatsa-bato ho an’ny antoko manohana ny fitondrana. Ny vahoaka izay tsy mandray anjara amin’ny fifiadanana loholona tsy mahatazana firy ny fampielezan-kevitra ao ambadika. Eo ny faneriterena eo koa ny fandambolambona, samy manana ny fomba sy mampiasa hafetsifetsena sy ny fitaovana eo am-pelatanany mba handresen-dahatra ireo mpifidy dia ny ben’ny tanàna sy ireo mpanolo-tsaina anivon’ny kaominina ireo antoko sy vondrona miandrandra hanana solontena ao amin’ity antenimiera atao hoe “sénat” ity. Misy aza mikatsaka ny hahazo ilay « maro an’isa » fanalahidy hanakanana ny famingampinganana izay manan-kery toy ilay “memorandum” izay tsy fantatra mazava hatramin’izao na namokatra na nandamoka. Any anatin’ny antoko maro raikitra ny hakisisika ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona dia voafetra ho 60 tsy vitsy anefa ireo mpitady seza. Tsy misy moa na antoko iray aza no tsy voakasiky ny aretina ateraky ny fivadibadihan’ny mpikambana izay tsy manana tanjona afa-tsy ny fitadiavana mamy ho an’ny tenany. Fotoana fitsaboana izany ve izao raha tonga minaonaona miverina mitady rondrony ireo efa namadika tamin’ny fiampitana kijàna noho ny fanantenana ahi-maitso ahafahany mifaha. Izany tetika izany angamba no naniraka ny mpikambana vitsivitsy tao amin’ilay CST ivondrona sy ampiaka-peo mba ampatsiahivana ny fisiany. Eto amin’ny fiarahamonina anefa dia misy mihevitra fa tsy naleon’izy ireny ny fanadinoana azy, indrindra indrindra fa noho ny tsy fandairan’ity hevitra entiny ho antoky ny fijoroany ity. Marina fa raharaha goavana no sarotra ny mikasika ireo Nosy Miparitaka izay ifandroritan’ny firenena malagasy sy ny firenena frantsay, fa vola-baoritra izany raha atao fitaovam-piadiana ho fandresen-dahatra eto amin’ny sehatra pôlitika ifanaovana tolona tsy omby tratra. Maro ireo fahasahiranana izay mahamehana ny mponina ny ahitan’ny mpitondra fanefitra ireny aretina mikiky azy ireny. Tsy amin’izany anefa no tazana ataon’ireo mpilalao pôlitika ambentin-dresaka ametrahana ny tanjona, fa mbola ity adilahy lalandava, fanongana atsy ankisisika fitadiavana toerana eroa…
Léo Raz