Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

Resaky ny mpitsimpona akotry Vadin-dRasazy : vadin-dRasazy

$
0
0

Ny satam-bononahitra manomeha ny haja an’i Marc Ravalomanana ivelan’ny maha Filoham-pirenena fahiny azy dia ny maha vadin’ny Ben’ny tànana azy amin’izao fotaona izao. Azo heverina fa mpanolo tsaina mangigina no sady mahery vaika an’i Lalao Ravalomanana izy. Misy aza milaza fa izy mihitsy ny mpitantana an-dramatoa mpitantana ny raharaha, nefa ny fisehony mitsabaka ampahibemaso dia manahirana be ihany ny fitondrana, no miteraka fanontaniana hoe sao dia tsy mahandry tantana iNgaRainy ? Mampatsiahy ilay  vadin-dRasazy nanondro tena ho mpanoro hevitra, be baikobaiko atrany amin’ny hefitra fampiterahana.

Ny fitondram-panjakana koa moa etsy andaniny dia mikaikiaka fotsiny tsy sahy manakifika fa toy ny olona vaokaikitrin’ny amboa kely tiana. Nitsingevaheva feno fisalasalana tamin’na fandraisana fanapahana mazava momban’ireo raharaha maro makasika an’ity Filoham-pirenena teo aloha ity, izay niharan’ny herisetra nihaopefin’ny lalapanorenana niseho tamin’ny fanongana azy. Efa samy nizaka karazana sazin’ilay adiady niteraka korontana moa na ilay vaohendaka avy eo amin’ny toerany na ireo mpanendaka, samy vaosakana tamin’na fomba ankolaka mba tsy afahany nandray anjara teo amin’ny fiodinan’ny fifidianana filohampirenena farany teo.

Ny tsy fasahina fandraisana fanampaha-kevitra dia manokatra làlana ho an’Andriamatoa Marc Ravalomanana anaovany an’izao karazana koposoroka rehetra izao afahany ampijoro sy isitrahany ny zony aminy maha olompirenena azy. Nandramany ny fanaovana làlam-poza tamin’ny fodiany teto an-tanindrazana. Mifono fasahiana  fiantsina ny fampiarana ny didi-pitsarana manameloka azy ilay fiverenany teto Madagaikara, azo heverina fa tantara mbola tsy vaovahy fa miazohazo ireny fitsarana nihatra taminy ireny. Eo amin’ny laonan’izany tranga manjavozavo izany dia ampisehon’i Ramose fa tompon-dakan’ny afetsena izy, isakin’izay mihetsika dia manapatra izy analalahany ny sehatrin’ny fahafahany anaovana an’izay tiany. Ravarava moa ny fanany tamin’ny korontana 2009 sy nohon’ny herisetra sy fanjakazakana nitohy, eo andanin’izany anefa nipohitra koa ireo fomba tsy mendrika nisitrahany tombo-tsoa tamin’izy teo amin’ny fitondrana, toy ny tsy fanefan’ny orin’asany an’ireo volabe hetra-mpanjakana. Mandeha an’ila ny fomba fanazavana ny rariny sy ny fanadiovana ny loto niandrona. Isakin’ny fihoaram-pefy izao ve vao ikaroka karatra mena ? Ny fizotran’ny raharaham-pirenena no lasa antoka, ny fomba maloto tsy mahefa fanadiovana.

Léo Raz


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

Trending Articles