Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Toamasina : mirongatra ny fanolanana ankizy tsy ampy taona.

$
0
0

Raha fanolanana ankizy tsy ampy taona nahatonga fitsaram-bahoaka ka namoizana aina raim-pianakavina iray tao Antetezatona sy Ambodisaina, efa nisehoana fanolanana sahady tao Anjoma sy Mangarano. Ny alahady lasa teo ny zanany vavy vao 8 taona ihany no naolan-drainy, 34 taona. Nivoaka ny renim-pianakaviana ny tolakandro fa andeha hitady trano hofaina. Taorian’izay, nilaza ny handeha handro ilay rangahy raha lasa nivoaka ny vadiny ary nentiny ny zanany vavy. Nantsoiny hiara-hiditra taminy tao amin’ny fandroana ilay ankizy fa nandà. Nosarihany ilay zaza, ary notereny ny zanany vavy naterany nanaovany firaisana.

Norahonany tsy hiresaka amin-dreniny ny zava-nanjo azy izy. Ny alatsinany, niaraka tamin-dreniny tany Moramanga ilay ankizy ka teo no tsikaritry ny reniny ho mitaraina marary. Rehefa nanontaniana, nilaza ny nanaovan-drainy azy. Nentina tamin’ny mpitsabo tany Moramanga ary voamarina fa naolana. Niverina ny andron’ io ihany izy mianaka ary nivantana teny amin’ny polisy. Nosamborina ilay rainy, izay tsy nandà ny heloka vitany. Naiditra am-ponja any Ambalatavoahangy ny lehilahy.

Sajo sy Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70753

Trending Articles