
Mandeha izaitsizy ny fotoana ka manitsaka ny telo volana farany sahady isika ity. Vanim-potoana izay matetika mifanojo amin’ilay maitsoahitra ka miseho daholo ny fahasahiranana. Manomboka eo ny fahavaratra mitondra orana mikija manimba ny fotodrafitrasa toy ny lalana. Vokany, miakatra ho azy ny vidin’entana ilaina andavanandro, indrindra ny vary sy ny harina fandrehitra (saribao). Tao ho ato, efa nahitana fiakarany sahady ny vidin’ny kilaon’ny henan’omby sy ny henan-kisoa izay tsy fantatra hoe inona ny antony. Ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena farany teo nanamarika io sondro-bidy ankapobeny io ary manahy fa tsy ho tratra hatramin’ny faran’ny taona ilay fisondrotry ny harikarena faobe novinavinaina ho 5,5%. Amin’ity volana oktobra ity koa no hampiharana ny vidin’ny solika tena izy ka vao mainka hanosika ny sondro-bidy hiakatra hatrany. Asa aloha raha tena ho sahy handray izay fepetra izay ny fanjakana. Io dia fahasahiana andrasan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, izay hidinika ny momba an’ilay fandaharanasan’ny governemanta ato ho ato.
Koa any amin’ny volana marsa vao mety hisy ny famatsiam-bola maika ho azo raha toa ka mahafapo ny ezaka vitan’ny governemanta ankehitriny. Ny nahagaga, ny fahatarana teo amin’ny fanolorana ny fehezan-dalàna momba ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana nanoloana ny Antenimierampirenena, tokony ho natao tany amin’ny volana mey lasa teo. Izao indray, tsy hita ao amin’ny lahadinika mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana eny Tsimbazaza io fanitsiana io. Ny fifidianana Loholona no mahadodona satria nahazo vahana ny antokom-panjakana nandritra ny kaominaly farany teo. Ny kajikajy politika hatrany no manimba ny fanarenana ny toekarena nefa hatramin’izay.
Mbola tsy nanomboka rahateo ny fanadiovana ny tatatra amin’ny asa tanamaro hiarovana ny arabe tsy ho simba. Hadino sahady ny lasa tamin’ny herintaona, simba daholo ny lalana teto an-dRenivohitra ka nitohana izaitsizy ny fifamoivoizana nandritra ny volana maro. Dia toy ny miainga amin’ny tsy misy hatrany ny firenena. Hadino ilay teny filamatra fahizay hoe “ny mahay mikolo tsy sahirana manolo”. Ny zara raha vita izao no malaza dia haverina indray ny fanamboarana rahampitso. Dia hoe efa manao izay vitany ny fanjakana fa mba manana faharetana re ry vahoaka malagasy ô!
Andrianjaka Vonjy