Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Brevets : sarotra ny maka azy

$
0
0

Tsy tokony hijanona fotsiny eo amin’ny fikarohana ny mpikaroka fa hanitatra izany hatrany amin’ny fanapariahana ny vokatra. Mialoha izay fanapariahana izay anefa, mila «Brevet» ny voka-pikarohana. «Mbola tena sarotra ny maka «Brevets» raha ny eto amintsika », hoy ny Profesora Philippe Rasoanaivo, teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Farafahakeliny, maharitra 3 ka hatramin’ny 4 taona vao tafavoaka ny «Brevets», raha ny fanazavany. Mbola ialohavana «licence» ihany koa ny fahazoana «Brevets».

Mbola olana amin’ny fahazoana ity taratasy fanamarinana ny maha tompon’ny voka-pikarohana ity ihany koa ny tsy fananan’ny mpikaroka vola ampy hiatrehana ny fikarohana sy ny fanapariahana na ny fivarotana ny voka-pikarohana. Mbola matahotra ny hifampiraharaha amin’ireo sampandraharaha mpamatsy vola ny mpikaroka eto an-toerana. Misalasala ny ho vokatry ny fifanarahana ny mpikaroka satria hanjary ho “mpiray ombon’antoka” ny roa tonta. Vokatr’io tahotra io, mety ho betsaka ny fikarohana no tsy ho tonga hatramin’ny farany. Na vita ihany fa tsy ampy ny fielezany. Nomarihin’ny Pr. Philippe Rasoanaivo fa misy karazany roa ny fikarohana : fikarohana fototra sy fikarohana hitadiavana vokatra avy hatrany dia azo ampiharina.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles