Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70593

Resaky ny mpitsimpona akotry : mbola miady foana e!

$
0
0

Nanamafy ny finiavany hiady amin’ny kolikoly ny filoham-pirenenana Rajaonarimampianina Hery. Zava-dehibe izany hoy isika rehetra. Indrindra moa ho an’ireo izay miandry hatrany ny ohatra avy any ambony vao mandray andraikitra. Ohatra tsara ho an’ny mpitarika izany nasehony izany. Manomboka any amin’ny mpikambana eo anivon’ny governementa izany, ka hatrany amin’ny vahoaka majinika, mandalo eo amin’ireo olom-boafidy isan-tsokajiny, ireo mpiasam-panjakana ambony, ireo mpitsara sy ireo mpitandro filaminana. Ireo sehatra roa ireo dia tsindriana manokana eto satria anisan’ny malaza ratsy amin’ny sehatry ny kolikoly raha ny eto amin’ny firenena malagasy no asian-dresaka.

Ny fanahian’ny maro anefa dia izao, tena hipaka marina tokoa any amin’izay tokony hiantefany ve ny hafatra tian’ny filoha ampitaina amin’izao fandraisany andraikitra izao. Raha hambara foana mantsy fa ny filoha tsy mba ratsy, dia matetika ireo antanan-tohatra iantefan’ny asa sy ny adidy maro samihafa, ateraky ny fandraisana andraikitry ny mpitondra no maneno sahona. Ny sasany tsy mahavita izay tokony ho ataony mifanaraka amin’ny andraikitra noraisin’ny mpitondra am-pahibemaso amin’ny antsakany sy andavany, ny hafa mialangalana, satria tsy izy marina angamba no nandray andraikitra imasom-bahoaka. Dia toy izany hatrany ny zava-misy, hany ka tsy tanteraka na ny fampanantenana nataon’ny filoha, taloha na tao afara ny fifidianana, na ireo tetik’asa ambarany fa tokony hahomby sy hampandroso ny firenena.

Efa tany amin’ny taona 2000 tany ho any mantsy no najoro ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly. Efa maherin’ny folo taona izany izy ankehitriny. Saingy, toa miady foana amin’izany isika Malagasy fa ny eo ihany no eo. Ny filoha amperin’asa ankehitriny ohatra dia efa taona iray mahery izao no niasany. Somary taitra ihany anefa raha hoe izao izy vao manamafy izany fandraisany andraikitra amin’ny ady amin’izay loza mianjady amin’ny firenena izany. Ny filoha tany aloha, sy ny mpitondra tamin’izany moa dia efa nampiseho ny fahavononany hiady amin’io… saingy mbola miady foana e! Hatramin’izay ka hatramin’izao.

Tsy ny ady amin’ny kolikoly ihany anefa io, fa eny, hatrany amin’ny fampandrosoana ny firenena mihitsy aza. Maro anie ireo nitondra teto no nanao resabe fa hoe hampandroso ny firenena ao anatin’ny fotoana fohy e! Ny sasany izany aza moa dia sahy nanao fanamby mihitsy fa hoe zato andro ihany dia misy zavatra miova eto e! Nanao ny zato androny miverina indroa ny governemanta amin’izao fotoana izao, fa tsy hita akory izay tena mivaingana sy miantraika amin’ny vahoka. Ny eo ihany no eo. Taona iray mahery aty aorian’ny fandraisany fitondrana aza moa mbola tsy mihatra tanteraka ihany ilay hoe Pôlitikan’ny fampandrosoan’ny fitondrana ankehitriny na ny PND. Ny mpitondra dia mbola variana manao fanamby, fa tsy ny asa no tena atao. Tsy leran’ny fanamby tokoa mantsy izao, fa fotoanan’ny asa amin’izay.

Vonjy M.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70593

Trending Articles