
Tsy afa-bela amin’ny fitobaky ny kolontsaina vahiny amin’ny alalan’ny fanatontolona ny kolontsaina sy ny ribantsika. Mora mandray ny avy any ivelany rahateo isika, amin’ny ankapobeny, hany ka sady tsy voafehy sy goragora ny an’ny tena nefa tsy voatelina koa ny an’ny vahiny. Zary sadasada manan-tsoratra, noho izany, ny kolontsaina ampitain’ny samy Malagasy amin’ny taranany.
Anisan’ny kolontsaina sady vakoka tsy hita maso ianjadian’izany fanafihan’ny kolontsaina vahiny izany koa ny teny. Mandrakotra sy manafotra azy ny fibosesik’ireo aingitraingi-pitenenana heverintsika ho filamatra. Vokany, sady tsy mahafehy ny tenintsika isika no tsy mahafehy ny an’ny hafa. Hita taratra hatrany anaty haino aman-jery izany. Ny gazety an-tsoratra, no matetika mba manao ezaka manaja ny fitsipi-panoratana sy ny fitsipi-pitenenana.
Amin’ny ankapobeny, mandrava sy manimba tsikelikely ny teny malagasy ireo fomba sy fihetsika fanaontsika. Anisan’ireny ny fikirakirana ny haitao vaovao toy ny rohin-tserasera facebook mbamin’ny « sms ». Lasa fahazaran-dratsy ho an’ny rehetra ny hakamoan-tsaina tsy manoratra amin’ny tokony ho izy ny teny malagasy. Toraka izany, na ny hira mora raisin’ny valalabemandry aza, be ny fiteny diso saingy tsy ahoantsika akory. Ny haisoratra irery sisa, raha ny fahitana azy no hany mahavita miaro amin’izany fahasimbana izany.
Soa fa nisy ny mpanoratra
Ny mpanoratra amin’ny ankapobeny sisa, no tena mba manaja sy saro-piaro amin’ny fitsipi-panoratana sy fitsipi-pitenenana eto amintsika. Voafaoka ao avokoa ireo sokajina mpanoratra rehetra na mpanoratra tantara na mpanoratra tononkalo na mpanoratra kabary sy ny maro hafa. Ireny no mivoaka boky na mivoaka an-gazety, mitobaka eny anivon’ny mpanjifa, mitaiza ny fiarahamonina amin’ny fiteny marina. Fa na ireo manam-pahefana isan’ambaratongany aza, ohatra, tsy mahafehy ny teny malagasy akory amin’ireo kabary ankalamanjana anentanany vahoaka. Be ny teny diso mandalo ao an-tsofina fotsiny, tsy misy miraharaha.
Tsy dia tena mbola hita taratra loatra, rahateo koa, ny politikan’ny teny eto amintsika. Na ao anaty lalàmpanorenana aza, mbola nampivadiana amin’ny teny hafa ny tenim-pirenena. Hany ka ihazakazahana, sady lasa lamaody sy enti-mivarotra ny fampianarana, ohatra, ny sekoly mampianatra amin’ny teny frantsay. Zava-doza anefa no hita amin’ny ankabeazan’izy ireny fa saiky tsy mahafehy akory ilay teny vahiny enti-mampianatra ny mpampianatra manabe ny zanatsika amin’izy ireny.
Firenena toa inona no havelantsika holovain’ny taranaka any aoriana ? Raha tsy misy ny fepetra na politikam-panjakana mozatra, ho sadasada sy kiriolona ny fiteny hampiasaina eto Anivon’ny Riaka, afaka taona vitsy.
Zoelson Randrianindrina