Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70542

Fitakian’ny mpitsabo mpanampy : miandry ny fanitsiana volavolan-dalàna

$
0
0

Miandry ny fanitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny asa sy ireo tombontsoa tokony hisitrahany ny mpitsabo mpanampy manerana ny nosy amin’izao fotoana izao. Efa misy hoy ireo mandrafitra ny biraon’ny fikambanan’ireo mpitsabo mpanampy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra mikasika ny resaka “grille indiciaire” sy ny “endemnité de risques” na ny tambikaraman’izy ireo. Nanambara ary ny solontenan’ireto farany, ny  filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo mpanampy  teo aloha, Rakotonandrasana Jean Valérien fa niaiky ny amin’ny tokony hampiharana izany ny minisitra tompon’andraikitra. Efa  vita ny tetikasa an-taratasy na ny “projet de texte” mikasika ny famaliana ny fitakian’izy ireo ary miankina amin’ny vokatry ny fifampiresahana eo amin’ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny fahasalamana sy ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola no ahafahana mampiditra izany ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra mba hiandrandran’ireto mpitsabo mpanampy ireto ny fidiran’ity valim-pitakian’izy ireo ity any anatin’ny lalàna mikasika ny tetibolam-panjakana 2016. Na dia efa ela aza no nanaovan’izy ireo ny fitakiany dia ny fifampiresahana hatrany aloha hatreto no hitan’izy ireo fa mety hampahomby ny tolony. Fantatra moa fa nandritry ny fihaonana andiany faha 11 izay natao tany antsohihy farany teo no nanavaozana ihany koa ny biraon’ny fikambanan’ny mpitsabo mpanampy ka lany ho filoha mandritry ny efa-taona manaraka andriamatoa Ravoson Patrick.

Mirija


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70542

Trending Articles