Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70534

Fifanandrinan’i Lalatiana sy Neny : hivoaka anio ny fehin-tenin’ny Fitsarana

$
0
0
DSC_0758

Nangataka ny hanafoanana manontolo ny vato azon’ny kandidan’ny antoko TIM, Ravalomanana Lalao, ny mpisolovava ny kandidan’ny Freedom, ny Maître Andrianasolo Andry Fiankinana, nandritra ny fifanatrehan’ny mpisolovava mpiaro ny an-daniny sy an-kilany teny amin’ny Fitsarana ady amin’ny fanjakana, omaly. Ny fanisihana ny anarana ”Neny” tao anaty biletà tokana tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny 31 jolay teo no anton’io fitakiana io.

Tsy mitombina ny filazan’ny Cenit fa nisy fanapahana navoaka, nanomezan-dàlana ny fametrahana ny anaram-bosotra tao anaty biletà tokana indray ny 04 mey, hoy nympiaro ny kandidà Rakotondrazafy Lalatiana. Tsy nampahafantarina izany mantsy, hoy izy omaly, ny kandidan’ny Freedom tamin’ny fandrotsahany ny antontan-taratasiny tamin’ny 16 mey. Tsy nisy nampahafantarina io fanovana fanapahana nataon’ny Cenit io afa-tsy ny Kandidà Tim teto Antanaanrivo-Renivohitra ihany matoa tsy nisy naheno sy tsy nisy nampihatra izany ny hafa, hoy ihany ny mpisolovava ny kandidà Rakotondrazafy Lalatiana. Notakiny, noho izany, ny dika tena izy amin’io fanapahana vaovao io satria tsy ara-dalàna ny fanaovany izany, araka ny fanazavana nentiny tanatrehan’ny fitsarana omaly.

Navilin’ny mpisolovava ny kandidan’ny antoko Tim tany amin’ny ventin’ny lahadinika nifanaovana teny amin’ity Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ity ny resaka, hialana tamin’ny fanatsikafonana io fanovana fanapahana an-tsokosoko ho tombontsoan’ny kandidà iray io. Tsy fitoriana ny Cenit no hatao eto, hoy izy omaly, fa fitoriana angatahana ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà Ravalomanana Lalao. Tsy voararan’ny lalàna ny fametrahana anaram-bosotra anaty biletà tokana, hoy ity mpisolovava ity, ary mahalala ny ataony ny Cenit matoa namoaka fanapahana vaovao nanomezana alàlana izany. Tsy voafaritry ny mpiaro ny kandidn’ny antoko Tim kosa ny vanim-potoana nisian’io fanovana nataon’ny Cenit io sy ny nampahafantarana azy ny kandidà rehetra nana-jo tamin’izany.

Hamoaka ny fehinteny mikasika ity fitoriana nangatahana ny hanafoanana manontolo ny vato azon’ny kandidan’ny antoko Tim teto Antananarivo-Renivohitra sy ny fanalana an-daharana azy ity ny fampanoavana, anio. Amin’ny 17 septambra ho avy izao kosa vao hivoaka ny didim-pitsarana momba ity raharaham-pifidianana ity.

Manou


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70534

Trending Articles