Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70541

Sports scolaires : fantatra ireo Dilon’i Boeny

$
0
0
sportscolaire110915

Notontosaina tao amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Marovoay (Cisco),  ny 4 – 7 septambra lasa teo, ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly, ho an’ny faritr’i Boeny. “Dilon’i Boeny”ny niantsoana izany. Ny “dilo” dia anarana atin-kazo “manary” na “palissandre”,  izay sady mahery no ain’ny hazo, hoy ireo mpikarakara ny fihaonana, ka mba ho mafy tahaka ny “dilo” ireo mivoaka mpandresy amin’ity taona ity.

Raha teo amin’ny vokatra, nivoaka ho “Dilon’i Boeny”, teo amin’ny handball ny Cisco Mahajanga I ary Soalala kosa ny teo amin’ny baolina kitra. Notoloran’Atoa  Christophe Samuel, talem-paritry ny fanabezam-pirenena, ao Boeny, amboara isan-karazany sy medaly volamena ary lelavola, niampy fanamiana, ireo mpandresy, hiatrehana ny fifaninam-pirenena any Antsiranana.

Araka ny fantatra, ny Cisco Namakia, ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, indray no handray ny fifaninanana fanatanjahantena an-tsekoly manaraka.

 Tompondaka


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70541

Trending Articles