Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70477

Olan’ny fifidianana  : hantsoin’ny Taf ny mpitory sy ny torina

$
0
0

Toy ny eny amin’ny fitsarana ihany. Hiditra amin’ny fandinihina ny valin-tenin’ireo hofotorana sy hadihadiana ny eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), amin’ny herinandro io, manoloana ireo olana samihafa momba ny voka-pifidianana.

Hamoaka ny voka-pifidianana izy ireo aorian’izany.

Mialoha ireo, mbola hampanantsoina eny amin’ny fitsarana ireo kandidà mpitory sy ny toriana, hofotorana. Ho voaantso koa ny mpikambana sasany eny anivon’ny birao fandatsaham-bato (BV).

Ho tahaka izany avokoa ny fomba hizoran’ny fitsarana ireo olana tamin’iny fifidianana iny, any amin’ny faritra.

Samihafa kosa, arakaraka ny nivoahan’ny vokatra tsy ofisialy avy amin’ny Sadir ny fotoana hamoahan’ny Taf ny voka-pifidianana ofisialy.

Mbola afaka mampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana anefa ireo tsy afa-po amin’ny voka-pifidianana ofisialy eo.

Synèse R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70477

Trending Articles