
« Salon de la gastronomie et touristique » na Sagatours. Hetsika iray natokana ho an’ny hainahandro sy ny manodidina azy izy ity, raha ny nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny Ali Event, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Hotontosaina ny 27 hatramin’ny 30 aogositra izao ny andiany voalohany, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. « Efatra andro hatokana ho an’ny hainahandro sy ny fizahantany, izay tsy afa-misaraka ireo. Tianay hasongadina mihitsy ny asa manodidina ny tsiro, satria manana ny mampiavaka azy ny faritra 22 eo amin’ny sehatry ny hainahandro », hoy ny nambaran’i Aliravaka Roger Mamy, talen’ny Ali Event.
Hahatratra 50 mahery ireo hampiranty mandritra ny hetsika. Hisy hampiranty vokatra sy akora fototra, hisy kosa hanolotra fanandramana ho an’ireo mpitsidika. Tsy vitan’izay fa hisy koa ny fanehoana ampahibemaso ny hainahandro hataon’ireo mpahandro matihanina, ankoatra ny fampianarana sy ny torohevitra madinidinika. Mba hampiaina ny hetsika, hikarakara fifaninanana hainahandro koa ny Ali Event, ka mahakasika ny « entrée froides » sy ny « desserts » izany. Hisy koa ny fifaninanana malalaka ho an’ireo mpitsidika.
Zo ny Aina