
Sadaikatra amin’ny raharaha fitorian’ny Mapar ( Miaraka amin’i Prezidà Andry Rajoelina) ny momba ny fanendrena ny Praiminisitra ny HCC. Raha ny fanazavana teny Ambohidahy, omaly, sarotra ny raharaha. « Misy ny fotoana izay mahamety ny hamoahana izany, fa tsy azo hafainganina. Zavatra sarotra ary mila fandinihana lalina izany », hoy ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Jean-Eric. Nohamafisiny fa tsy azo atao maimaika sy fahatany io zavatra io, fa tsy maintsy halalinina sy lanjalanjaina amin’ny maha didim-pitsarana azy. Na izany aza, andrasana izay ho didim-pitsarana havoakan’ny HCC amin’io tsy fanarahana ny andininy 54 amin’ny lalàmpanorenana io.
Miandry, araka izany, koa anefa ireo Mapar sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny Vondron’Ambodivona. Tsy hirotsaka ho mpanohitra ny fitondrana mihitsy izy ireo, raha ny fizotry ny raharaham-pirenena saingy « manohitra ny tsy fanarahan-dalàna ». Hatraiza ny faharetan’izy ireo amin’io lafiny io ? Ny hita hatreto aloha, mijanona eo amin’ny fanehoan-kevitra sy fiomanana amin’ny hiatrehana fifidianana kaominaly izy ireo.
Zo. Ra.
Cet article Olan’ny Mapar sy ny Praiminisitra : “Tsy azo hafainganina”, hoy Rakotoarisoa Jean Eric est apparu en premier sur NewsMada.