Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Ravololomanana lalatiana : “Tsy tokony hisy iny tolo-tànana iny”

$
0
0
DSC_2809

Kianin’ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Ravololomanana Lalatiana tanteraka ny fanatanterahan’ny fitondrana ny tolo-tànana ho an’ny tra-boina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ananan’i Madagasikara ny hoenti-manana, hanavotana ny olom-pirenena tra-pahasahiranana, hoy izy, raha nahay nitsinjo toy ny mpitondra rehetra ny teto amintsika. Tsy mendrika ny Malagasy, hoy ny vondron’ny mpanohitra, ny hiandry fiantrana toy ireny, noho ny harena misy eto amin’ny fireneny. Tapitra aondrana an-tsokosoko daholo anefa izany fa tsy isitrahan’ireto vahoaka nahafoizan’Andriamanitra azy akory, araka ny fanazavany, ka tompony mangataka atiny ny Malagasy. Ratsy tantana ny firenentsika, hoy Ravololomanana Lalatiana, ka ny vahiny no mitavana ny harena. Mahagaga, hoy ity mpitarika ny mpanohitra ity, ny mampihazohazo ny mpitondra izay voafidim-bahoaka, manoloana ny heloka ara-toekarena mambotry firenena mitranga eto.

Mendrika ny tsaratsara kokoa noho ny fitserana sy ny fandohalihana, hangataka vonjy any ivelany ny Malagasy ary tokony hajoro amin’ny fiandrianam-pireneny, araka ny fanambarany. Anjaran’ny mpitondra ny fikarohana ny hevitra hahatongavana amin’izany raha tena vonon-kitondra marina izy, hoy ny avy amin’ny mpanohitra.Tsy hitsahatra hiteny izahay raha mbola tsy mahatanteraka ny andraikiny amin’ny vahoaka izay hitondra ity firenena ity, hoy ny mpitarika ny vondron’ny mpanohitra, tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Nandray anjara tamin’ny tolo-tànana ihany anefa ny vondron’ny mpanohitra, hoy izy, satria soatoavina Malagasy ny fifanampiana sy ny voin-kavamahatratra.

Manou

Cet article Ravololomanana lalatiana : “Tsy tokony hisy iny tolo-tànana iny” est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70297

Trending Articles