Andraso eo Paoly! Ialana tsiny raha valavala ihany izany, nefa izay no fomba fiteny amin’izao fotoana izao raha miresaka fihetsika izay tazana fa miandry ny tsy hisy. Ny fananarana teo aloha dia ny fampianarana faharetana, ka izay maharitra hono no ho vadin’andriana. Raha eto amin’ny fiainam-bahoaka dia efa ela izay no niandrasan’ny mponina izay, tsy tanin’i Edena akory, fa ny fandrariana tontolo ahafahan’ny rehetra miaina ivelan’ny fahantrana sy ny hanohanana. Samy mandeha samy mitady, ao ny mahitahita ao no mikoroso fahana. Hatrany an-tampony any dia ny hafetsifetsena no hany azo ianteherana, diso anjara raha hiandry fotsiny ny rariny.
Rehefa ny hafetsifetsena anefa no manjaka vetivety dia mahazo vahana ny fitapitaka sy ny famadibadihana. Tsy nilaozan’izany ny fananganana andrim-panjakana toy ny governemanta izay tena kitro ifaharan’ny fitondrana nefa noesorina tamin’ny vahoaka ny fanendrena ireo mpikambana ao anatiny. Mba hialàna amin’ny kilalao ratsy dia samy nametraka didy araky ny safidiny ny Lalàmpanorenana tsirairay, asa na voadingana anefa izany fitsipika izany hatrany am-piandohan’ity Repobilika faha-efatra ity, hany tazana aloha dia ny fifandrotehana, izao dia misarisary amin’ny fanaovana kiantranoantrano, tsy afaka ho lazaina na izany aza fa izany no mamerina amin’ny ara-dalàna.
Tsy fantatra intsony iza no marina ny ankolafy tena mifanamboamboatra amin’izany tetika izany, resaka sangodimpanina no ifanaovany ka na ny hany hitan’ny mpitazana aza dia manjavozavo be avokoa. Manampy trotraka izany ny feo, resaka sy honohono mipoitra etsy sy eroa. Efa voalaza moa fa nisy tsena teny Tsimbazaza nialohan’ny fandatsaham-bato mikasika ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta, izao indray dia misy manambara fa tao anatin’io governemanta io dia nisy mpikambana niray tendro tamin’ireo namolavola ilay tetika fanonganana. Araky ny feo miely izao dia ho fanafodin’izany tokony tsy hisy lehiben’antoko intsony afaka hiditra ho mpikambana ao anatin’ny governemanta. Dikan’izany dia na ireo mpiray lafitra aza dia samy mampiasa hafetsena mba haminganana ny namana izay mifaninana amin’ny tena eo amin’ny sehatra iombonana. Tonga eo amin’ny fomba fivavahan’ny vahiny, miandrandra fitahina amin’ny lanitra, mba hiaro bebe kokoa ny tena amin’izay mety hataon’ny namana satria moramora kokoa no miaro tena amin’ny ratsy ahiana ho vitan’ny fahavalo. Izany no mety ho fandrafetana ny governemanta vaovao izay homena anarana hoe “fitondrana iraisana”.
Léo Raz