
« An’ny vahoaka fa tsy an’ny mpitondra ny fahefana, fa nampindramina ny mpitondra. Ny ijoroantsika izao, mba hahatongantsika rehetra ireo hiadana: ho masina amin’ny taniny ny Gasy. Izany no tadiavinay. »
Kabarin’ny mpitarika ny fikambanana Aroriaka, Rakotonirina Odon Grégoire, teo anoloan’ny tsangambato Ralaimongo, Analakely, omaly, io.
Tsy manana hoavy ny tanora, raha mitohy izao fitondrana ny zava-misy amin’izao fotoana izao : an’ny vahiny ny zava-drehetra, araka ny nambarany. Mba misy tokony ho antsika Malagasy. « Tsy ekenay ny fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena, lasa eny an-tanan’olom-bitsy », hoy izy.
Fitaomana olona manoloana ny toe-draharaham-pirenena no hoe antony. Ny hita anefa, toa ny mpitazana no maro. Ireo mpitarika ny hetsika rahateo tsy dia fantatra loatra. Toa manararaotra ny toe-draharaha mafampana fotsiny. Nisy ihany ireo mpanao politika fantatra endrika, saingy toa nihainohaino, tsy sahy niseho sehatra akory.
Tsy naparitaky ny Emmo/Reg ireo mpanao hetsika
Nahagaga, nahavariana… Nitazam-potsiny ny hetsika ireo mpitandro filaminana, fa tsy nanaparitaka ny famoriam-bahoaka fantatra fa tsy ahazoana alalana. Nefa tsy mahagaga indray: toy ny nahazo alalana manokana avy amin’ny fanjakana ny raharaha noho ny fisian’ny « mpamono afo« .
Nilaza ho delegasiona avy any Toamasina izy ireo. Fitiavan-tanindrazana tsy misy toy izany?
« Tsy mpanongam-panjakana izahay, fa manohitra ny tsy rariny misy eto amin’ny firenena. Manohitra ny olona manongam-panjakana izahay », hoy ny mpitarika azy ireo. Voalaza fa misy olona 32 ny iraka.
Koa raha misy olona manongam-panjakana , na iza na iza mitsangana hanongam-panjakana: mangataka izy ireo mba tsy hiseho eto amin’ny firenena ny fanonganam-panjakana.
Ambadika politika… maloto
Tsy vitan’ny hoe famonoana afo ny raharaha, fa fampiadiana ny samy Malagasy? Raha avy eto Antananarivo, ohatra, ireo hoe iraka: ho hitan’ny havany eo. Efa noravan’ny mpitandro filaminana ny hetsika, raha tsy olona voairaka manokana na voakarama? Na tsy matoky tena amin’ny fampiasan-kery ny mpitondra…
Eo ny fampiakaram-peon’ny eo anivon’ny fiombonambe iraisam-pirenena: toy ny fanjakana amerikanina, ohatra. Soketaina ho mpanongam-panjakana hatrany izay mihetsika rehetra. Dia najoro izay lazaina ho mpiaro fanjakana… hampiady ny samy Malagasy?
R. Nd.